Bokin'i Jeremia 50:43
Efa ren’ ny mpanjakan’ i Babylona ny lazany, ka miraviravy tànany izy; Fahoriana no mahazo azy, eny, fanaintainana tahaka ny vehivavy raha miteraka.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 50
Cross References
Isaiah 21:3Ary raha nahita izany aho, dia feno fanaintainana ny valahako; Fijalijaliana no nahazo ahy tahaka ny fijalijalian’ ny vehivavy raha miteraka; Niolanolana fatratra aho ka tsy nandre izany; Toran-kovitra aho ka tsy nahita izany.
Jeremiah 49:24Efa ketraka Damaskosy ka mihodìna handositra, fa, toran-kovitra izy; Ary azon’ ny faharariana sy ny fanaintainana, toy ny vehivavy raha miteraka.
Daniel 5:5Tamin’ izay dia nisy rantsan-tànan’ olona niseho ka nanoratra tandrifin’ ny jiro tamin’ ny lalotra sokay teo amin’ ny rindrin’ ny lapan’ ny mpanjaka; ary ny mpanjaka nahita ilay rantsan-tanana nanoratra.