Bokin'i Jeremia 50:7
Izay rehetra nahita azy dia nandringana azy, ary ny fahavalony nanao hoe: Tsy manan-keloka izahay, satria izy efa nanota tamin’ i Jehovah, fonenan’ ny fahamarinana, dia Jedovah, fanantenan’ ny razany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 50
Cross References
Psalms 22:4Kanefa masìna Hianao, Ry mipetraka eo ambonin’ ny fideran’ ny Isiraely.
Psalms 79:7Fa efa nandany an’ i Jakoba izy ireo sady nandrava ny fonenany.
Psalms 91:1Ny mitoetra ao amin’ ny fierena izay an’ ny Avo Indrindra Dia monina eo ambanin’ ny aloky ny Tsitoha.
Isaiah 47:6Tezitra tamin’ ny oloko Aho; navelako holotoina ny lovako, ka natolotro ho eo an-tananao izy, tsy mba namindranao fo izy, fa na dia ny antitra aza dia nasianao zioga mavesatra dia mavesatra.
Jeremiah 2:3Masìna ho an’ i Jehovah ny Isiraely sady santatra amin’ ny vokany; Izay rehetra nihinana azy dia nohelohina, ny loza no nanjo ireny, hoy Jehovah.
Jeremiah 14:8Ry Fanantenan’ ny Isiraely ô, Mpamonjy azy amin’ ny andro fahoriana! Nahoana Hianao no dia toy ny vahiny amin’ ny tany ary toy ny mpandeha izay manorin-day handry indray alina monja?