Bokin'i Jeremia 51:21
Ary ianao no ho entiko manorotoro soavaly sy ny mpitaingina azy, ary ianao no ho entiko manorotoro ny kalesy sy ny mpitaingina azy;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 51
Cross References
Exodus 15:1Ary Mosesy sy ny Zanak’ Isiraely dia nihira izao fihirana izao ho an’ i Jehovah ka nanao hoe: Hihira ho an’ i Jehovah aho, fa avo indrindra Izy; ny soavaly sy ny mpitaingina azy efa nariany ao amin’ ny ranomasina.
Psalms 46:9Avia, jereo ny asan’ i Jehovah, izay mahatonga faharavana etỳ an-tany;
Jeremiah 50:37Indro! hisy sabatra hamely ny soavaliny sy ny kalesiny mbamin’ ny olona samy hafa firenena rehetra ao aminy, ka ho tonga toy ny vehivavy ireny! Indro! Hisy sabatra hamely ny firaketany, ka horobaina izany.
Micah 5:10Hofoanako ny tanàna amin’ ny taninao, Ary harodako ny tanànanao mimanda rehetra;
Haggai 2:22dia hahohoko ny seza fiandrianan’ ny fanjakana, ary hofoanako ny herin’ ny fanjakan’ ny firenena; ary hahohoko ny kalesiny sy ny mitaingina eo aminy; ary samy ho lavon’ ny sabatry ny namany avy ny soavaly sy ny mpitaingina azy.
Zechariah 12:4Amin’ izany andro izany, hoy Jehovah, dia hamely ny soavaly amin’ ny fahaverezan-kevitra Aho, ary ny mpitaingina azy amin’ ny fahadalana, hampihiratra ny masoko amin’ ny taranak’ i Joda Aho ary hamely ny soavaly rehetra izay an’ ny firenena amin’ ny fahajambana.