Bokin'i Jeremia 51:30
Nitsahatra tamin’ ny ady ny lehilahy maherin’ i Babylona, nitoetra tao amin’ ny batery fiarovana izy, lany ny heriny; Tonga toy ny vehivavy izy; Nodorana ny fonenany, tapaka ny hidiny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 51
Cross References
Psalms 107:16Fa nanorotoro ny varavarana varahina Izy, Ary ny hidy vy nohenteriny.
Isaiah 13:7Ary noho izany dia hiraviravy ny tanana rehetra, ary ho kivy ny fon’ ny zanak’ olombelona rehetra;
Isaiah 45:1Izao no lazain’ i Jehovah amin’ ny voahosony, dia Kyrosy, izay notantanako tamin’ ny tànany ankavanana, mba handreseko firenena eo anoloany sy hamahako ny fehin-kibon’ ny mpanjaka, mba hamohako varavarana eo anoloany, ka tsy hirindrina intsony ny vavahady:
Jeremiah 48:41Afaka ny tanàna, ka azo ny batery fiarovana, ary amin’ izany andro izany ny fon’ ny lehilahy maherin’ i Moaba dia ho tahaka ny fon’ ny vehivavy mihetsi-jaza.
Jeremiah 51:32Ary efa azo ny fitàna, ary nodorany tamin’ ny afo ny heniheny, sady toran-kovitra ny miaramila.
Lamentations 2:9Ny vavahadiny dia tototry ny tany, nosimbany sy notapatapahiny ny hidiny; Ny mpanjakany sy ny mpanapaka azy efa mby any amin’ ny firenena; Tsy misy lalàna intsony, fa na ny mpaminaniny aza dia tsy mahita fahitana avy amin’ i Jehovah.