Bokin'i Jeremia 51:34
Efa lanin’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, izahay; Naringany izahay; Napetrany toy ny vata tsy misy entana izahay; Nateliny toy ny fitelin’ ny mamba izahay; Nivokisan’ ny kibony ny zava-piko, ka dia nandroaka ahy izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 51
Cross References
Job 20:15Harena no nateliny, nefa aloany indray; Loaran’ Andriamanitra hiala ao an-kibony izany.
Isaiah 24:1Indro, Jehovah mahafoana ny tany ka mahalao azy ary mampihohoka azy ka manely izay mponina ao aminy.
Isaiah 42:22Kanefa ity dia firenena nobaboina sy norobaina; Voafandrika ao an-davaka avokoa izy rehetra ary voàfina ao an-trano-maizina; Voababo izy, ka tsy misy mamonjy; Voasambotra izy, ka tsy misy manao hoe: Ampodio.
Jeremiah 48:11Moaba nandry fahizay hatry ny fony izy mbola kely ka niotrika tao amin’ ny faikany, fa tsy naidina nafindrafindra siny, ary tsy mbola lasan-ko babo izy; koa izany no aharetan’ ny tsirony ao aminy sy tsy iovan’ ny fofony.
Jeremiah 50:17Ondry iray voavily ny Isiraely, Liona no nanenjika azy; Voalohany dia ny mpanjakan’ i Asyria no nandany azy. Ary farany dia ity Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, ity no nanapatapaka ny taolany.
Jeremiah 51:49Toy ny nampiampatramparan’ i Babylona ny faty tamin’ ny Isiraely, dia ho toy izany no hiampatramparan’ ny faty amin’ ny tany rehetra noho ny amin’ i Babylona.