Bokin'i Jeremia 51:43
Ny tanànany dia lao sy karankaina ary tani-hay, dia tany tsy onenan’ olona sady tsy misy zanak’ olombelona mamaky eo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
42Ny ranomasina nanafotra an’ i Babylona; Voasaron’ ny habetsahan’ ny onjany izy.
Read all of Bokin'i Jeremia 51
Cross References
Isaiah 13:20Tsy honenana mandrakizay izy ary tsy hitoerana intsony hatramin’ ny taranaka fara mandimby, Tsy hisy Arabo hanorin-day any, na mpiandry ondry hampandry ny ondriny any;
Jeremiah 2:6Ary izy tsy nanao hoe: Aiza Jehovah Izay nitondra antsika niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta sady nitarika antsika tany an-efitra, dia ilay tany foana sady be lavaka, tany karankaina sady aloky ny fahafatesana, tany izay tsy mba nalehan’ olona akory na nonenan’ olona?
Jeremiah 50:12Dia ho menatra indrindra ny reninareo, hangaihay ilay niteraka anareo; Indro, ny faran’ ny firenena, efitra sy tany karankaina ary tani-hay!
Jeremiah 51:29Mihorohoro sy mangovitra ny tany; Fa tanterahina amin’ i Babylona ny fikasan’ i Jehovah rehetra, mba hahatonga ny tany Babylona ho lao tsy misy mponina.
Jeremiah 51:62ka manaova hoe: Jehovah ô, Hianao no niteny hamely ity tany ity handringana azy, ka tsy hisy hitoetra eto, na olona na biby, fa ho tany lao mandrakizay izy.