Isaiah 13:20
Tsy honenana mandrakizay izy ary tsy hitoerana intsony hatramin’ ny taranaka fara mandimby, Tsy hisy Arabo hanorin-day any, na mpiandry ondry hampandry ny ondriny any;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
2 Chronicles 17:11Ary ny Filistina sasany nitondra fanomezana sy vola hetra ho an’ i Josafata; ary ny Arabo koa nitondra ondry aman’ osy, dia ondrilahy fiton-jato amby fito arivo sy osilahy fiton-jato amby fito arivo.
Isaiah 14:23Ary hataoko fonenan’ ny sokina sy fihandronan’ ny rano izy, ary hofafako kifafa fandringanana izy, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro.
Isaiah 34:10Na alina na andro dia tsy hovonoina izany, ary ny setrony hisavoana mandrakizay; Hatramin’ ny taranaka fara mandimby dia ho tany karankaina izy, tsy hisy handeha hamaky azy intsony mandrakizay mandrakizay.
Jeremiah 50:3Fa misy firenena avy any avaratra miakatra hamely azy ka hahatonga ny taniny ho lao tsy hisy mponina intsony; Fa na ny olona na ny biby dia samy handositra ka ho lasa avokoa.
Jeremiah 50:21Iakaro Ibefikomiana sy ny mponina ao Arapamaliana; Ravao sy aringano manarakaraka azy, hoy Jehovah, ary manaova araka izay rehetra nandidiako anao.
Jeremiah 50:45Koa henoy ny saina avy amin’ i Jehovah, izay nosaininy hamelezana an’ i Babylona, sy ny heviny izay noheveriny hamelezana ny tanin’ ny Kaldeana: Hoviraviraina tokoa ireny, dia ny kely indrindra amin’ ny ondry; Ho gaga azy tokoa ny saha fiandrasana azy.