Bokin'i Jeremia 51:64
ka ataovy hoe: Toy izao no hilentehan’ i Babylona ka tsy hifongarany intsony noho ny loza hataoko mihatra aminy, ka dia ho reraka izy. Hatreto no tenin’ i Jeremia.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 51
Cross References
Psalms 72:20Tapitra ny fivavak’ i Davida, zanak’ i Jese.
Jeremiah 13:4Ento ny fehin-kibo izay novidinao, dia ilay ifehezanao ny kibonao, ka mitsangana, mankanesa any Eofrata, ary afeno ao an-tsefatsefaky ny harambato izy.
Jeremiah 25:27Koa lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro. Andriamanitry ny Isiraely: Misotroa ianareo, ka mimamoa, sy mandoava, ary mianjerà, ka aza miarina intsony noho ny sabatra izay hampameleziko anareo.
Jeremiah 51:58Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Ny manda malalaka any Babylona dia horavana tokoa hatramin’ ny fanorenany, ary ny vavahadiny avo hodorana amin’ ny afo. Ka dia ho nisasatra foana ny firenena, ary ny olona ho nisasatra ho an’ ny afo ka ho reraka.
Habakkuk 2:13Indro, tsy avy amin’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, va no hiasan’ ny olona ho an’ ny afo, Sy hisasaran’ ny firenena noho ny zava-poana?
Revelation 18:2Ary niantso tamin’ ny feo mahery izy ka nanao hoe: Rava! rava Babylona lehibe! ka tonga fonenan’ ny demonia sy fieren’ ny fanahy maloto rehetra ary akanin’ ny vorona rehetra izay maloto sy ankahalaina.