Bokin'i Jeremia 51:8
Tampoka no naharavan’ i Babylona sy nahatorotoroany; Idradradradrao izy; Makà balsama hatao amin’ ny feriny maharary azy, fa angamba ho sitrana ihany izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 51
Cross References
Isaiah 21:9Koa, indreo, avy ny olona andiany, mpitaingina mandeha tsiroaroa; Ary nanandratra ny feony izy ka nanao hoe: Rava, rava Babylona! Ary ny sarin’ ny andriamaniny rehetra dia voatorotoro miraraka amin’ ny tany.
Jeremiah 8:22Moa tsy misy balsama va any Gileada? Moa tsy misy dokotera va any? Koa nahoana no tsy tanteraka ny fanasitranana ny oloko zanakavavy?
Jeremiah 46:11Miakara any Gileada, ka makà balsama, ry Egypta zanakavavy virijina; Foana ny nanaovanao fanafody maro, fa tsy manana plasitera hapetaka amin’ ny ferinao ianao,
Jeremiah 48:31Koa hidradradradra noho ny amin’ i Moaba aho; Eny, hitomany noho ny amin’ i Moaba rehetra aho, ary hitsetra noho ny amin’ ny mponina ao Kira-haresa ny olona.
Jeremiah 51:41Endrey! afaka Sesaka! Ary azo ilay fidèran’ ny tany rehetra, Endrey! tonga figagana any amin’ ny firenena Babylona.
Ezekiel 30:2Ry zanak’ olona, maminania, ka ataovy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Midradradradrà ianareo! Indrisy ny andro!