Bokin'i Jeremia 52:11
Ary nopotsiriny ny mason’ i Zedekia, dia nafatotry ny mpanjakan’ i Babylona tamin’ ny gadra varahina izy ka nentiny nankany Babylona ary nataony tao an-trano-maizina mandra-pahafatiny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 52
Cross References
Jeremiah 21:7Ary rehefa afaka izany, hoy Jehovah, Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, sy ny mpanompony sy ny vahoaka ary izay sisa tsy matin’ ny areti-mandringana sy ny sabatra sy ny mosary amin’ ity tanàna ity dia hatolotro eo an-tànan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, sy eo an-tànan’ ny fahavalony sy eo an-tànan’ izay mitady ny ainy; dia hamely azy amin’ ny lelan-tsabatra ireo, fa tsy hitsitsy na hiantra azy, na hamindra fo aminy.
Lamentations 2:6Ary noravany an-keriny toy ny tanimboly ilay nofefena ho Azy, sady noravany ny trano fihaonany; Nataon’ i Jehovah hadino tao Ziona ny fotoam-pivavahana sy ny Sabata, ka nolaviny tamin’ ny fahatezerany mirehitra ny mpanjaka sy ny mpisorona.
Ezekiel 23:24Ary ho avy izy mitondra fiadiana sy kalesy sy kodia mbamin’ ny firenena betsaka hamely anao, izay hanisy ampinga lehibe sy ampinga kely sy fiarovan-doha manodidina hamelezana anao, ary hatolotro azy ny fitsarana, ka hitsara anao araka ny fitsarany izy.