Bokin'i Jeremia 21:7
Ary rehefa afaka izany, hoy Jehovah, Zedekia, mpanjakan’ ny Joda, sy ny mpanompony sy ny vahoaka ary izay sisa tsy matin’ ny areti-mandringana sy ny sabatra sy ny mosary amin’ ity tanàna ity dia hatolotro eo an-tànan’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, sy eo an-tànan’ ny fahavalony sy eo an-tànan’ izay mitady ny ainy; dia hamely azy amin’ ny lelan-tsabatra ireo, fa tsy hitsitsy na hiantra azy, na hamindra fo aminy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 21
Cross References
2 Kings 25:5Ary ny miaramilan’ ny Kaldeana nanenjika ny mpanjaka ka nahatratra azy teny amin’ ny tani-hay any Jeriko; dia nipariaka nandao azy ny miaramilany rehetra.
2 Kings 25:18Ary ny lehiben’ ny mpiambina nisambotra an’ i Seraia mpisoronabe sy zefania, mpisorona manarakaraka, ary mpiandry varavarana koa telo lahy;
Isaiah 13:17Indro, hamporisihiko hamely azy ny Mediana, izay manao ny volafotsy tsy ho zavatra ary tsy mankamamy ny volamena.
Isaiah 47:6Tezitra tamin’ ny oloko Aho; navelako holotoina ny lovako, ka natolotro ho eo an-tananao izy, tsy mba namindranao fo izy, fa na dia ny antitra aza dia nasianao zioga mavesatra dia mavesatra.
Jeremiah 14:12Fa na dia mifady hanina aza izy, dia tsy hihaino ny fitarainany Aho; Ary na dia manatitra fanatitra dorana sy fanatitra hohanina aza izy, dia tsy hankasitraka azy Aho, fa haripako amin’ ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mandringana izy.
Jeremiah 20:4Fa izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hataoko fampangorohoroana ho an’ ny tenanao sy ny sakaizanao rehetra ianao, ary ho lavon’ ny sabatry ny fahavalony ireo, dia ho hitan’ ny masonao izany; ary ny Joda rehetra hatolotro eo an-tànan’ ny mpanjakan’ i Babylona, dia ho entiny ho babo any Babylona izy ka hovonoiny amin’ ny sabatra.