Bokin'i Jeremia 52:27
Dia novonoin’ ny mpanjakan’ i Babylona tao Ribla any amin’ ny tany Hamata ireo. Toy izany no nitondrana ny Joda ho babo niala tamin’ ny taniny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'i Jeremia 52
Cross References
Numbers 34:8ary hatramin’ ny tendrombohitra Hora dia aoka ny lalana mankany Hamata no hotandrifinareo, ary aoka ny fari-tany hahazo an’ i Zedada,
Deuteronomy 28:36Ho entin’ i Jehovah ho any amin’ ny firenena izay tsy fantatrao na ny razanao ianao sy ny mpanjakanao, izay hatsanganao hanjaka aminao; any any no hanompoanao andriamani-kafa, dia vato aman-kazo.
2 Samuel 8:9Ary nony ren’ i Toy, mpanjakan’ i Hamata, fa efa naharesy ny miaramilan’ i Hadadezera rehetra Davida,
2 Kings 17:23Mandra-panaisotr’ i Jehovah ny Isiraely tsy ho eo anatrehany, araka izay nampilazainy ny mpaminany mpanompony rehetra. Ka dia lasan-ko babo niala tamin’ ny taniny ho any Asyria ny Isiraely ka mbola any mandraka androany.
2 Kings 25:20dia nosamborin’ i Nebozaradana, lehiben’ ny mpiambina, ireo ka nentiny ho any amin’ ny mpanjakan’ i Babylona tao Ribla.
Isaiah 24:3Hatao foana dia foana ny tany, ary hobaboina dia hobaboina tokoa izy, fa Jehovah no efa niteny.