Bokin'i Jeremia 6:14
Fa nataotaony foana ny fanasitranany ny faharatran’ ny oloko zanakavavy tamin’ ny nanaovany hoe: Fiadanana, fiadanana; Kanjo tsy misy fiadanana tsinona!
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Isaiah 30:26Ary ny fahazavan’ ny volana dia ho tahaka ny fahazavan’ ny masoandro, ary ny fahazavan’ ny masoandro dia ho avy fito heny, ka ho tahaka ny fahazavan’ ny hafitoana, Amin’ ny andro hamehezan’ i Jehovah ny fahatorotoroan’ ny olony sy hanasitranany ny fery tamin’ ny namelezana azy.
Jeremiah 5:12Nahafoy an’ i Jehovah izy ka nanao hoe: Tsy Izy no izy; Tsy hisy loza hanjo antsika, ary tsy hahita sabatra na mosary isika;
Jeremiah 14:13Dia hoy izaho: Indrisy, Jehovah Tompo ô! Indreo ny mpaminany manao aminy hoe: Tsy hiharan’ ny sabatra ianareo, ary tsy ho mosarena; Fa homeko fiadanana maharitra eto amin’ ity tany ity ianareo.
Jeremiah 23:17Milaza mandrakariva amin’ izay manamavo Ahy izy hoe: Jehovah nanao hoe: Hahita fiadanana ianareo, ary amin’ izay rehetra mandeha araka ny ditry ny fony hoe: Tsy hisy loza hanjo anareo.
Lamentations 2:14Ny mpaminaninao nahita lainga sy fahadalana ho anao; Ary tsy nampiseho ny helokao mba hiaro anao tsy ho babo; Fa nahita faminaniana lainga sy fampiviliana ho anao izy.
Ezekiel 13:16dia ny mpaminanin’ ny Isiraely izay maminany ny amin’ i Jerosalema sy izay mahita fahitana fiadanana ho azy, kanjo tsy misy fiadanarla tsinona, hoy Jehovah Tompo.