Bokin'i Jeremia 8:11
Fa nataotaony foana ny fanasitranany ny faharatran’ ny oloko zanakavavy tamin’ ny nanaovany hoe: Fiadanana, fiadanana; Kanjo tsy misy fiadanana tsinona!
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
1 Kings 22:13Ary ilay iraka izay nandeha naka an’ i Mikaia niteny taminy hoe: Indro fa efa iray teny avokoa izao ny mpaminany ka milaza soa ho an’ ny mpanjaka; masìna ianao, aoka re ny teninao mba ho tahaka ny an’ ny anankiray amin’ ireo, ka mba mitenena soa koa.
Jeremiah 14:14Dia hoy Jehovah tamiko: Ireo mpaminany ireo dia maminany lainga amin’ ny anarako; Tsy naniraka azy Aho, na nandidy azy, na niteny taminy; Fa fahitana mandainga sy faminaniana tsy marina ary tsinotsinona sy fitaky ny fony no aminaniany aminareo.
Jeremiah 28:3ka ao anatin’ ny roa taona no hampodiako ho amin’ ity tanàna ity ny fanaka rehetra tao an-tranon’ i Jehovah izay nalain’ i Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, avy tamin’ ity tanàna ity ka nentiny ho any Babylona:
Ezekiel 13:10Noho ny nampiviliany ny oloko tamin’ ny nanaovany hoe: Fiadanana, kanjo tsy nisy fiadanana tsinona; ary raha manao ampiantany ny oloko, dia, indreo, izy no mandalotra azy amin’ ny feta tsy madity,
Micah 2:11Raha misy manaraka ny rivotra sy ny lainga ka mandainga hoe: Hitori-teny’ aminao ny amin’ ny divay sy ny zava-mahamamo aho, Dia izy no ho mpitori-tenin ity firenena ity.