Bokin'i Jeremia 9:17
Ary asaovy haingana ireny hanandratra fidradradradrana ho antsika, mba hampijojy ny ranomasontsika sy hampivarina ny ranomaso avy amin’ ny hodimasontsika.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
2 Chronicles 35:25Ary Jeremia dia nanao hira fisaonana an’ i Josia, ary ny mpihiralahy sy ny mpihiravavy rehetra dia mahatsiahy an’ i Josia mandraka androany, raha manao hira fisaonana, ka nataony fanao teo amin’ ny Isiraely izany; ary, indro, efa voasoratra ao amin’ ny fihirana fisaonana izany.
Ecclesiastes 12:5ary koa, hatahotra ny fiakarana izy, ary toa hisy zava-mahatahotra eny an-dalana; ary hamony ny hazo amygdala, ary ny valala aza ho tonga mavesatra, ary ny voan-tsimperifery aza tsy hanan-kery intsony fa mandroso ho any amin’ ny tranony mandrakizay ny olona, ary ny mpisaona mandehandeha eny an-dalambe
Matthew 9:23Ary Jesosy, nony niditra tao an-tranon’ ilay mpanapaka ka nahita ny mpitsoka sodina sy ny vahoaka nitabataba,