Bokin'i Jeremia 9:18
Fa misy feo midradradradra re any Ziona hoe: Indrisy! rava isika; Afa-baraka indrindra isika, satria tsy maintsy mamoy ny tany, fa efa narodana ny trano nitoerantsika.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Isaiah 22:4Koa izany no anaovako hoe: Mihodìna tsy hijery ahy, fa hitomany mafy dia mafy aho; Aza dia fatra-pampionona ahy noho ny fandringanana ny oloko zanakavavy
Jeremiah 3:25Aoka handry ao amin’ ny henatray izahay. Ary aoka hanarona anay ny fahafaham-boninahitray, satria tamin’ i Jehovah Andriamanitray no efa nanotanay dia izahay sy ny razanay, hatramin’ ny fahazazanay ka ambaraka androany sady tsy nihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitray izahay.
Jeremiah 6:26Ry oloko zanakavavy, misikìna lamba fisaonana ianao, ary mihosena lavenona, ka manaova fisaonana toy ny fisaonana zanakalahy tokana, dia fitomaniana fatratra; Fa ho avy tampoka amintsika ny mpandringana.
Jeremiah 9:10Ary Jerosalema dia hataoko korontam-bato sy fonenan’ ny amboadia; ary ny tanànan’ ny Joda hataoko lao tsy hisy mponina.
Jeremiah 13:17Fa raha tsy hihaino izany ianareo. Dia hitomany any amin’ ny mangingina ny fanahiko, satria misy fiavonavonana; Eny, ny masoko hamarin-dranomaso hijononoka be, satria voababo ny ondrin’ i Jehovah.
Lamentations 1:2Mitomany dia mitomany izy nony alina, ary ny ranomasony dia eny an-takolany; Izay rehetra tia azy dia tsy misy mampionona azy; Ny sakaizany rehetra efa nivadika taminy ka tonga fahavalony.