Bokin'i Joba 19:12
Miara-mandroso ny antokon’ ny miaramilany ary manandratra tovon-tany hamelezany ahy izy ka mitoby manodidina ny laiko.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
His troops come together, and raise up their way against me, and encamp round about my tabernacle.
In Context
11Dia nampirehetiny tamiko ny fahatezerany, ka nataony ho fahavalony aho.
13Ny rahalahiko efa nampanalaviriny ahy; Ary ny olona nahazatra ahy efa nihafahafa tamiko avokoa.
Cross References
Job 6:4Fa ny zana-tsipiky ny Tsitoha mitsatoka amiko, ka mifoka ny poizina avy aminy ny fanahiko; Ary ny fampitahorana Andriamanitra milahatra hamely ahy.
Job 16:11Efa voatolotr’ Andriamanitra ho amin’ ny ratsy fanahy aho, ary natsipiny ho eo an-tànan’ ny mpanota.
Job 30:12Misy androvolahy mitsangana eo ankavanako; Manosika ny tongotro hiala izy ary manandratra tovon-tany hampidirany loza amiko.
Isaiah 51:23Fa hataoko eo an-tànan’ izay mampahory anao kosa, dia izay efa nilaza taminao hoe: Miankohofa mba hohitsahinay, ka dia nataonao ho tahaka ny tany ny tenanao sy ho tahaka ny lalambe ho an’ izay mandeha eo.