Job 21:20
Aoka ny masony ihany no hahita ny loza manjo azy, ary aoka ny tenany ihany no hisotro ny fahatezeran’ ny Tsitoha.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
His eyes shall see his destruction, and he shall drink of the wrath of the Almighty.
In Context
21Fa mampaninona azy moa ny amin’ ny taranany mandimby azy, raha tapaka ny isan’ ny androny?
Cross References
Psalms 60:3Andriamanitra ô, efa nanary sy nampihahaka anay Hianao; efa tezitra Hianao, velombelomy izahay.
Psalms 75:9Fa misy kapoaka eo an-tànan’ i Jehovah, feno divay mandroatra miharoharo zavatra iny, ka ampisotroany; eny, ny ratsy fanahy rehetra amin’ ny tany dia hitroka ny faikany.
Jeremiah 25:15Fa izao no nolazain’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, tamiko: Raiso etỳ an-tanako ity kapoaky ny divay fahatezerana mirehitra ity, ka ampisotroy ny firenena rehetra izay anirahako anao.
Luke 16:23ary raha nijaly tao amin’ ny fiainan-tsi-hita izy ka niandrandra, dia nahita an’ i Abrahama teny lavitra eny sy Lazarosy teo an-tratrany.
Revelation 19:15Ary misy sabatra maranitra mivoaka avy amin’ ny vavany mba hamelenany ny firenena; ary Izy hanapaka azy amin’ ny tehim-by; ary Izy no manitsaka ny famiazana ny divain’ ny firehetan’ ny fahatezeran’ Andriamanitra Tsitoha.