Apokalypsin'i Jaona 19:15
Ary misy sabatra maranitra mivoaka avy amin’ ny vavany mba hamelenany ny firenena; ary Izy hanapaka azy amin’ ny tehim-by; ary Izy no manitsaka ny famiazana ny divain’ ny firehetan’ ny fahatezeran’ Andriamanitra Tsitoha.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Apokalypsin'i Jaona 19
Cross References
Isaiah 11:4Fa hotsarainy amin’ ny fahamarinana ny malahelo; Ary homeny rariny ny mpandefitra amin’ ny tany; hamely ny tany amin’ ny tsorakazon’ ny vavany Izy, ary ny fofonain’ ny molony no hamonoany ny ratsy fanahy.
Isaiah 63:2Nahoana no mena ny fitafianao, ary ny akanjonao no tahaka ny an’ izay manosihosy ny famiazam-boaloboka?
Revelation 1:16Ary nitana kintana fito teny an-tànany ankavanana Izy; ary nisy sabatra maranitra roa lela nivoaka avy teo am-bavany; ary ny tarehiny dia tahaka ny masoandro mamirapiratra amin’ ny heriny.
Revelation 2:16Koa dia mibebaha; fa raha tsy izany, dia ho avy aminao faingana Aho ka hamely ireo amin’ ny sabatry ny vavako.
Revelation 12:5ary niteraka zazalahy izy, izay efa hanapaka ny firenena rehetra amin’ ny tehim-by; ary ny zanany novonjena faingana nakarina ho any amin’ Andriamanitra, dia ho any amin’ ny seza fiandrianany.
Revelation 19:21Ary ny olona sisa dia matin’ ny sabatra mivoaka avy amin’ ny vavan’ ilay mitaingina ny soavaly; ary ny vorona rehetra dia voky ny nofony.