Bokin'i Joba 38:11
Ka nanao hoe: Hatreto no azonao androsoana ka tsy hihoatra, ary eto no hampijanonana ny fisafoaky ny onjanao?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And said, Hitherto shalt thou come, but no further: and here shall thy proud waves be stayed?
In Context
10Ary nandidy ny ho fetrany sady nanisy hidy sy varavarana
Cross References
Job 1:22Tamin’ izany rehetra izany dia tsy nanota Joba, na nanome tsiny an’ Andriamanitra.
Job 26:10Asiany faritra manodidina eny ambonin’ ny rano. Hatramin’ izay ihaonan’ ny mazava sy ny maizina.
Psalms 76:10Raha nitsangana hitsara Andriamanitra mba hamonjy ny mpandefitra rehetra ambonin’ ny tany. [Sela.]
Psalms 93:3Mamandra-peo ny riaka, Jehovah ô, Eny, manandra-peo ny riaka; Mampirohondrohona ny feony ny riaka.
Proverbs 8:29Raha nanisy faritra ho an’ ny ranomasina Izy, Mba tsy hahazoan’ ny rano mihoatra ny fetrany, Ary nandidy ny amin’ ny fanorenan’ ny tany,
Jeremiah 5:22Izaho va tsy atahoranareo? hoy Jehovah; Tsy mangovitra va ianareo eo anatrehako, izay nanao ny fasika ho fefin’ ny ranomasina, dia fetra mandrakizay tsy azony hihoarana? Ka na dia mitopatopa aza ny onjany, dia tsy mahavaky azy, ary na dia mirohondrohona aza, dia tsy mahahoatra azy.