Filazantsara araka an'i Jaona 1:18
Tsy nisy nahita an’ Andriamanitra na oviana na oviana; fa ny Zanakalahy Tokana, Izay ao an-tratran’ ny Ray, Izy no nanambara Azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 1
Cross References
Genesis 16:13Ary Hagara nanao ny anaran’ i Jehovah, Izay niteny taminy hoe: Hianao no Andriamanitra Izay mahita; fa hoy izy: Tsy teto va no mbola velona aho aorian’ ny fahitana?
Genesis 32:28Ary hoy Izy taminy: Iza moa no anaranao? dia hoy izy: Jakoba.
Exodus 3:4Ary rehefa hitan’ i Jehovah fa nivily hizaha izy, dia niantso azy tao afovoan’ ny roimemy Andriamanitra ka nanao hoe: Ry Mosesy, ry Mosesy! Dia hoy izy: Inty aho.
Exodus 33:18Ary hoy Mosesy: Mba ampahitao ny voninahitrao aho.
Numbers 12:8Mifanatrika no itenenako aminy, dia amin’ ny fahitana, fa tsy amin’ ny teny saro-pantarina, ary mijery ny endrik’ i Jehovah izy; ka nahoana ianareo no tsy natahotra hanome tsiny an’ i Mosesy mpanompoko?
Joshua 5:13Ary nony teo akaikin’ i Jeriko Josoa, dia nanopy ny masony izy ka nijery, ary, indro, nisy lehilahy nitsangana tandrifiny, ka ny sabany voatsoaka dia teny an-tànany; ary nanatona Azy Josoa ka nanao taminy hoe: Namanay va Hianao, sa naman’ ny fahavalonay?