Filazantsara araka an'i Jaona 10:1
Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay tsy miditra amin’ ny vavahady ho amin’ ny valan’ ondry, fa mananika ny fefy, dia mpangalatra sy jiolahy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
2Fa izay miditra amin’ ny vavahady no mpiandry ny ondry.
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 10
Cross References
Isaiah 56:10Jamba ny mpitiliny, samy tsy mahalala izy rehetra, amboa moana avokoa, izy rehetra, ka tsy mahavovo, manonofy izy, eny, mandry ka torimaso.
Jeremiah 23:16Izao no lazain’ i Jehovah, Tompon’ ny maro: Aza mihaino ny tenin’ ny mpaminany izay maminany aminareo, fa manadala anareo ireo; Ny fahitana avy ao am-pony ihany no lazainy, fa tsy izay aloaky ny vavan’ i Jehovah.
Jeremiah 23:32Indro, hasiako izay maminany nofy lainga, hoy Jehovah, ary milaza izany ka mampivily ny oloko amin’ ny laingany sy ny fandokafany tena; Nefa Izaho tsy naniraka azy na nandidy azy tsinona, ka dia tsy mahasoa ity firenena ity akory izy, hoy Jehovah.
Jeremiah 29:31Maniraha ho any amin’ ny babo rehetra, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah ny amin’ i Semaia Nehelamita: Noho ny naminanian’ i Semaia taminareo, kanefa tsy nirahiko izy tsinona, fa nampitoky anareo tamin’ ny lainga
Ezekiel 34:2Ry zanak’ olona, maminania ny hamelezana ny mpiandry ny Isiraely, eny, maminania, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Lozan’ ny mpiandry ondrin’ ny Isiraely izay mamahan-tena! Moa tsy ny ondry va no tokony handrasan’ ny mpiandry?
Zechariah 11:16Fa, indro, Izaho hanangana mpiandry amin’ ny tany, izay tsy hamangy ny naringana, na hitady ny niely, na hanasitrana ny naratra, na hiandry izay mbola matanjaka; fa hohaniny ny nofon’ ny matavy sady helakelahiny ny kitrony.