Filazantsara araka an'i Jaona 10:18
Tsy misy manaisotra ny aiko amiko, fa ny tenako ihany no manolotra azy. Manana fahefana hanolotra azy Aho, ary manana fahefana haka azy indray. Izany didy izany dia azoko tamin’ ny Raiko.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
17Ary izany no itiavan’ ny Raiko Ahy, satria Izaho manolotra ny aiko mba handraisako azy indray.
19Ary nisy fisarahana indray tao amin’ ny Jiosy noho izany teny izany.
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 10
Cross References
Psalms 40:6Nohamaroinao ny fahagaganao sy ny hevitrao izay nataonao ho anay, Jehovah Andriamanitra ô. Tsy misy azo ampitahaina aminao Raha tiako hambara sy holazaina ireny, dia, indro, maro loatra izy ka tsy tambo isaina.
Matthew 26:53Ary ataonao va fa tsy mahazo mangataka amin’ ny Raiko Aho, dia haniraka anjely tsy omby roa ambin’ ny folo legiona ho etỳ amiko Izy ankehitriny?
John 5:30Raha Izaho ihany, dia tsy mahay manao na inona na inona; araka izay reko no itsarako; ary marina ny fitsarako; fa tsy mitady ny sitrapoko Aho, fa ny sitrapon’ izay naniraka Ahy.
John 10:11Izaho no Mpiandry Tsara; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry.
John 10:17Ary izany no itiavan’ ny Raiko Ahy, satria Izaho manolotra ny aiko mba handraisako azy indray.
John 15:10Raha mitandrina ny didiko ianareo, dia hitoetra amin’ ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin’ ny Raiko sy ny itoerako amin’ ny fitiavany.