Filazantsara araka an'i Jaona 10:11
Izaho no Mpiandry Tsara; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
I am the good shepherd: the good shepherd giveth his life for the sheep.
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 10
Cross References
1 Samuel 17:34Fa hoy Davida tamin’ i Saoly: Ny mpanomponao niandry ny ondrin-drainy, ary nisy liona sy bera tonga tao ka nahalasa zanak’ ondry teo amin’ ny ondry,
Psalms 23:1Salamo nataon’ i Davida. Jehovah no Mpiandry ahy, tsy hanan-java-mahory aho,
Isaiah 40:11Hiandry ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy; Ny sandriny no hanangonany ny zanak’ ondry, ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny, ary horoahiny miadana ny ampianahany.
Ezekiel 34:11Fa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, Izaho, eny, Izaho no hiahy ny ondriko sy handinidinika azy.
Ezekiel 37:24Ary Davida Mpanompoko no ho Mpanjakany; ary hiray Mpiandry izy rehetra, dia handeha araka ny fitsipiko izy sady hitandrina ny lalàko sy hankatò izany.
Zechariah 13:7Mifohaza, ry sabatra, hamely ny mpiandriko sy ny lehilahy namako, hoy Jehovah, Tompon’ ny maro. Asio ny mpiandry, dia hihahaka ny ondry, ary hamerina ny tanako ho amin’ ny madinika Aho.