Filazantsara araka an'i Jaona 10:28
ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin’ ny tanako.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
27Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy,
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 10
Cross References
1 Samuel 2:9Ny tongotry ny olo-masiny dia tandremany, fa ny ratsy fanahy kosa hampangininy any amin’ ny maizina; fa tsy amin’ ny hery no handresen’ ny olona.
Psalms 31:5Hanafaka ahy amin’ ny fandrika harato izay nafeniny hamandrihany ahy Hianao; fa Hianao no fiarovana mafy ho ahy.
Psalms 103:17Fa ny famindram-pon’ i Jehovah dia hatramin’ ny taloha indrindra ka ho mandrakizay amin’ izay matahotra Azy Ary ny fahamarinany mihatra amin’ ny taranaka.
Proverbs 4:18Fa ny lalan’ ny marina dia toy ny fipoak’ andro maraina, Izay mihamazava mandra-pitataovovonan’ ny andro.
Isaiah 45:17Fa ny Isiraely kosa ho voavonjin’ i Jehovah Amin’ ny famonjena mandrakizay; tsy ho menatra na hangaihay mandrakizay mandrakizay ianareo.
Isaiah 55:3Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa atỳ amiko, mihainoa, dia ho velombelona ny fanahinareo; ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho, dia ny famindram-po mahatoky nampanantenaina an’ i Davida.