Filazantsara araka an'i Jaona 10:27
Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
My sheep hear my voice, and I know them, and they follow me:
In Context
26Kanefa ianareo tsy mino, satria tsy mba isan’ ny ondriko.
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 10
Cross References
1 Kings 18:21Ary dia nankeo amin’ ny olona rehetra Elia ka nanao hoe: Mandra-pahoviana no hiroa saina ianareo? Raha Jehovah no Andriamanitra, manaraha Azy; fa raha Bala kosa, dia manaraha azy. Fa ny olona tsy namaly azy akory.
Matthew 16:24Dia hoy Jesosy tamin’ ny mpianany: Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy.
Matthew 25:12Fa izy namaly hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Tsy fantatro ianareo.
Mark 10:21Ary Jesosy nijery azy tsara, dia tia azy ka nanao taminy hoe: Diso zavatra iray loha ianao; mandehana, amidio izay rehetra anananao ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia hanaraka Ahy.
Luke 13:27Fa Izy hiteny hoe: Lazaiko aminareo: Tsy fantatro na avy taiza na avy taiza ianareo; mialà amiko, ianareo rehetra mpanao meloka.
John 8:12Ary Jesosy niteny tamin’ ny olona indray ka nanao hoe: Izaho no fahazavan’ izao tontolo izao; izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ ny maizina, fa hanana ny fahazavan’ aina.