Filazantsara araka an'i Jaona 11:24
Fa hoy Marta taminy: Fantatro ihany fa hitsangana izy amin’ ny fitsanganan’ ny maty amin’ ny andro farany;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Martha saith unto him, I know that he shall rise again in the resurrection at the last day.
In Context
23Hoy Jesosy taminy: Hitsangana ny anadahinao.
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 11
Cross References
Psalms 49:14Izany no falehan’ ny olona adala; ary ny taranany mandimby azy mankasitraka ny teniny. [Sela.]
Isaiah 26:19Ho velona indray ny olonao izay efa maty, ny fatin’ ny oloko hitsangana; Koa mifohaza sy mihobia, ianareo izay mandry ao amin’ ny vovoka; Fa ny andonao dia tahaka ny andon’ ny fahazavana, ary ny tany hiteraka ny maty.
Daniel 12:2Ary maro amin’ izay matory ao amin’ ny vovoky ny tany no hifoha: ny sasany ho amin’ ny fiainana mandrakizay, ary ny sasany ho amin’ ny henatra sy ny latsa mandrakizay.
Hosea 13:14Havotako tsy ho azon’ ny herin’ ny fiainan-tsi-hita izy; Hovonjeko ho afaka amin’ ny fahafatesana Izy; Ry fahafatesana ô, aiza ny aretina fandripahanao? Ry fiainan-tsi-hita ô, aiza ny fandringananao? Afenina tsy ho hitan’ ny masoko ny nenina.
Luke 14:14dia ho sambatra ianao, satria tsy mba manan-kavaly ireo; fa hovaliana kosa ianao amin’ ny fitsanganan’ ny marina.
Acts 17:31satria Izy efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin’ ny fahamarinana amin’ ny alalan’ ny Lehilahy iray voatendriny, koa efa nanome vavolombelona hampino ny olona rehetra izany Izy tamin’ ny nananganany Azy tamin’ ny maty.