Filazantsara araka an'i Jaona 11:25
Hoy Jesosy taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
26Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao?
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 11
Cross References
Job 19:25Kanefa raha izaho, dia fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy, ka hitsangana any am-parany eo ambonin’ ny vovoka Izy.
Isaiah 26:19Ho velona indray ny olonao izay efa maty, ny fatin’ ny oloko hitsangana; Koa mifohaza sy mihobia, ianareo izay mandry ao amin’ ny vovoka; Fa ny andonao dia tahaka ny andon’ ny fahazavana, ary ny tany hiteraka ny maty.
Luke 23:43Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio no hihaonanao amiko any Paradisa.
John 3:36Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’ Andriamanitra no mitoetra eo aminy.
John 5:26Fa tahaka ny Ray manana fiainana ho Azy, dia tahaka izany koa ny Zanaka nomeny hanana fiainana ho Azy;
John 6:39Ary izao no sitrapon’ izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa hatsangako indray amin’ ny andro farany izy.