Filazantsara araka an'i Jaona 11:44
Dia nivoaka ny maty nisy fehim-paty ny tànany sy ny tongony, sady voafehy mosara koa ny tavany. Hoy Jesosy tamin’ ny olona: Vahao izy, ka avelao handeha.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
43Ary rehefa nanao izany teny izany Izy, dia niantso tamin’ ny feo mahery hoe: Ry Lazarosy, mivoaha!
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 11
Cross References
1 Samuel 2:6Jehovah no mahafaty sy mahavelona; izy no mampidina ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita ary mampitsangana.
Ezekiel 37:3Ary hoy Jebovah tamiko: Ry zanak’ olona, moa mety ho velona ihany va ireto taolana ireto? Ary hoy izaho: Jehovah Tompo ô, Hianao no mahalala.
Mark 5:43Ary Jesosy nandrara azy mafy mba tsy ho fantatr’ olona izany; ary nasainy nomena hanina razazavavy.
John 5:21Fa toy ny Ray manangana sy mamelona ny maty, dia tahaka izany koa no ameloman’ ny Zanaka izay tiany.
John 10:30Izaho sy ny Ray dia iray ihany.
John 11:39Hoy Jesosy: Esory ny vato. Hoy Marta, anabavin’ ny maty, taminy: Tompoko, maimbo izy izao, fa efa hefarana izay.