Filazantsara araka an'i Jaona 11:45
Ary maro tamin’ ny Jiosy, dia ireo nankeo amin’ i Maria ka nahita ny zavatra nataon’ i Jesosy ireo, no nino Azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Then many of the Jews which came to Mary, and had seen the things which Jesus did, believed on him.
In Context
46Fa ny sasany tamin’ ireo kosa dia lasa nankany amin’ ny Fariseo ka nilaza taminy izay nataony.
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 11
Cross References
John 7:31Ary maro ny vahoaka no nino Azy ka nanao hoe: Raha tonga Kristy, moa hanao famantarana maro mihoatra noho ny nataon’ ity Lehilahy ity va Izy?
John 11:19Ary maro tamin’ ny Jiosy no efa tonga teo amin’ i Marta sy Maria hitsapa alahelo azy noho ny amin’ ny anadahiny.
John 12:9Ary ny vahoaka betsaka tamin’ ny Jiosy nahalala fa teo Izy, dia tonga teo, nefa tsy noho Jesosy ihany, fa mba hahita an’ i Lazarosy koa, ilay natsangany tamin’ ny maty.
John 12:42Kanefa maro tamin’ ny mpanapaka aza no nino Azy; nefa noho ny Fariseo dia tsy nanaiky ireo, fandrao havoaka hiala amin’ ny synagoga.