Filazantsara araka an'i Jaona 11:8
Hoy ny mpianatra taminy: Raby ô, vao haingana teo no nitadiavan’ ny Jiosy hitora-bato Anao, ka hankany indray va Hianao?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
7Rehefa afaka izany, dia hoy Izy tamin’ ny mpianatra: Andeha isika ho any Jodia indray.
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 11
Cross References
Matthew 16:21Hatramin’ izany no vao natoron’ i Jesosy ny mpianany fa tsy maintsy hankany Jerosalema Izy ka hampijalin’ ny loholona sy ny lohan’ ny mpisorona ary ny mpanora-dalàna, dia hovonoina, ary hatsangana amin’ ny andro fahatelo.
John 8:59Dia naka vato hitoraka Azy ny olona; fa Jesosy niery ka niala teo an-kianjan’ ny tempoly.
John 10:39Dia nitady hisambotra Azy indray ny Jiosy; fa nandositra azy Izy.
Acts 21:12Ary raha vao renay izany, dia nangataka taminy izahay mbamin’ izay nonina teo mba tsy hiakarany any Jerosalema.