Filazantsara araka an'i Jaona 12:40
Efa nanajamba ny masony sy nanamafy ny fony Izy, Mba tsy hahita ny masony, na hahalala ny fony, Dia tsy hibebaka izy, Ka tsy hahasitrana azy Aho.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
39Izany no tsy nahaizany nino, satria hoy koa Isaia:
41Izany teny izany no nolazain’ Isaia, satria nahita ny voninahiny izy ka nilaza Azy.
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 12
Cross References
Exodus 7:3Ary Izaho hanamafy ny fon’ i Farao sy hanamaro ny famantarana sy ny fahagagana izay hataoko eto amin’ ny tany Egypta.
Exodus 14:4Dia hanamafy ny fon’ i Farao Aho, ka hanenjika anareo izy; dia hankalazaina Aho noho ny hataoko amin’ i Farao sy amin’ ny miaramilany rehetra, ka ho fantatry ny Egyptiana fa Izaho no Jehovah. Dia nataon’ ny Zanak’ Isiraely izany.
Exodus 14:17Ary, indro, Izaho hanamafy ny fon’ ny Egyptiana, ka hiditra hanenjika azy izy; dia hankalazaina Aho noho ny hataoko amin’ i Farao sy amin’ ny miaramilany rehetra mbamin’ ny kalesiny sy ny mpitaingin-tsoavaliny,
Joshua 11:20Fa avy tamin’ i Jehovah no nanamafian’ ireo ny fony hiady amin’ ny Isiraely, mba hanaovany azy ho zavatra voaozona, ka tsy nisy famindram-po, handringanana azy araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
Psalms 6:2Jehovah ô, aza ny fahatezeranao no ananaranao ahy, ary aza ny fahaviniranao no amaizanao ahy.
Psalms 135:10Dia Ilay namely ny jentilisa maro Ka nahafaty mpanjaka mahery,