Filazantsara araka an'i Jaona 13:5
ary rehefa vita izany, dia nampidina rano tamin’ ny tavy Izy ka nanomboka nanasa ny tongotry ny mpianatra sy namaoka azy tamin’ ny lamba famaohana izay nisikinany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
6Dia nankeo amin’ i Simona Petera Izy; fa hoy Petera taminy: Tompoko, Hianao va hanasa ny tongotro?
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 13
Cross References
Genesis 19:2Dia hoy izy: Mba mivilia ianareo, tompoko, ho ato an-tranon’ ny mpanomponareo, ka mandria anio alina, ary sasao ny tongotrareo, ary hifoha maraina koa ianareo, dia handeha amin’ izay lalan-kalehanareo. Fa hoy izy roa lahy: Tsia; fa hitoetra eto an-kianja ihany izahay anio alina.
Leviticus 14:8Ary ilay hodiovina dia hanasa ny fitafiany sy hanaratra ny volon-dohany rehetra ary handro amin’ ny rano, ka hadio izy; ary rehefa faka izany dia hankeo an-toby izy, kanefa hitoetra eo ivelan’ ny lainy hafitoana.
2 Kings 3:11Ary hoy Josafata: Tsy misy mpaminanin’ i Jehovah va eto hanontaniantsika amin’ i Jehovah? Ary nisy anankiray tamin’ ny mpanompon’ ny mpanjakan’ ny Isiraely namaly ka nanao hoe: Ato ihany Elisa, zanak’ i Safata, ilay mpanondra-drano ny tànan’ i Elia.
Psalms 51:2fony Natana mpaminany nankao aminy rehefa naka an’ i Batseba izy.
Ezekiel 36:25Dia hofafazako rano madio ianareo, ka hadio; ny mba ho afaka amin’ ny fahalotoanareo rehetra sy ny sampinareo rehetra no hanadiovako anareo.
Luke 7:38ary nijanona teo ivohony tanilan’ ny tongony izy ka nitomany, dia nahakotsa ny tongony tamin’ ny ranomasony sy namaoka azy tamin’ ny volon-dohany, dia nanoroka fatratra ny tongony ka nanosotra azy tamin’ ny menaka manitra,