Boky voalohan'ny Tantara 3:11
Ary hoy Josafata: Tsy misy mpaminanin’ i Jehovah va eto hanontaniantsika amin’ i Jehovah? Ary nisy anankiray tamin’ ny mpanompon’ ny mpanjakan’ ny Isiraely namaly ka nanao hoe: Ato ihany Elisa, zanak’ i Safata, ilay mpanondra-drano ny tànan’ i Elia.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky voalohan'ny Tantara 3
Cross References
Genesis 18:4Aoka hangalana rano kely ianareo hanasana ny tongotrareo; ary aoka mba hiala sasatra kely eo am-pototry ny hazo ianareo;
Joshua 9:14Ary nangalan’ ny olona ny vatsin’ ireo, nefa tsy nanontany tamin’ ny vavan’ i Jehovah izy.
Judges 20:18Dia niainga ny Zanak’ Isiraely ka niakatra tany Betela ary nanontany tamin’ Andriamanitra hoe: Iza no hiakatra voalohany hiady amin’ ny taranak’ i Benjamina ho anay? Dia hoy Jehovah: Joda no ho voalohany.
Judges 20:26Dia niakatra ny Zanak’ Isiraely rehetra sy ny olona rehetra ka nankany Betela, dia nitomany sy nipetraka teo anatrehan’ i Jehovah ary nifady hanina tamin’ izany andro izany mandra-paharivan’ ny andro; ary nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan’ i Jehovah izy.
1 Kings 22:7Ary hoy kosa Josafata: Moa tsy misy mpaminanin’ i Jehovah koa va eto mba hanontaniantsika?
2 Kings 3:3nefa izy nikikitra tamin’ ny fahotan’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely, fa tsy niala tamin’ izany.