Filazantsara araka an'i Jaona 14:12
Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin’ ny Ray.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 14
Cross References
Matthew 21:21Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Raha manam-pinoana ianareo ka tsy miahanahana, dia tsy izao natao tamin’ ny aviavy izao ihany no ho vitanareo, fa raha hiteny amin’ ity tendrombohitra ity aza ianareo ka hanao hoe: Mifindrà ianao, ka mianjerà any an-dranomasina, dia ho tonga izany.
Mark 16:17Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin’ ny anarako izy; hiteny amin’ ny fiteny izay tsy mbola hainy izy;
John 7:33Dia hoy Jesosy: Kely foana no itoerako aminareo, dia hankany amin’ izay naniraka Ahy Aho.
John 14:28Efa renareo fa Izaho nilaza taminareo hoe: Handeha Aho, nefa ho avy aminareo indray. Raha tia Ahy ianareo, dia ho faly, satria mankany amin’ ny Ray Aho; fa ny Ray dia lehibe noho Izaho.
Acts 2:4Ary samy feno ny Fanahy Masìna izy rehetra, ka dia niteny tamin’ ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan’ ny Fanahy Masìna azy.
Acts 2:41Ary izay nandray tsara ny teniny dia natao batisa; ary tokony ho telo arivo no olona nanampy ho isany tamin’ izany andro izany.