Filazantsara araka an'i Jaona 7:33
Dia hoy Jesosy: Kely foana no itoerako aminareo, dia hankany amin’ izay naniraka Ahy Aho.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Then said Jesus unto them, Yet a little while am I with you, and then I go unto him that sent me.
In Context
34Hitady Ahy ianareo, fa tsy hahita; ary izay itoerako dia tsy azonareo haleha.
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 7
Cross References
John 12:35Dia hoy Jesosy taminy: Mbola kely ihany no hitoeran’ ny mazava aminareo. Mandehana, raha mbola manana ny mazava ianareo, mba tsy hahatratra anareo ny maizina; fa izay mandeha amin’ ny maizina dia tsy mahalala izay alehany.
John 13:3sady fantatr’ i Jesosy koa fa ny Ray efa nanolotra ny zavatra rehetra ho eo an-tànany, ary Andriamanitra no nihaviany, sady Andriamanitra koa no hiverenany,
John 14:19Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao; fa ianareo no hahita Ahy; satria velona Aho, dia ho velona koa ianareo.
John 16:10ny fahamarinana, satria mankany amin’ ny Ray Aho, ka tsy mahita Ahy intsony ianareo;
John 16:28Eny, nivoaka avy tamin’ ny Ray Aho ka tonga amin’ izao tontolo izao; ary hiala amin’ izao tontolo izao indray Aho ka hankany amin’ ny Ray.
John 17:13Fa ankehitriny mankany aminao Aho; ary izany teny izany no lazaiko eto amin’ izao tontolo izao, mba hananany ny fifaliako tanteraka ao aminy.