Filazantsara araka an'i Jaona 17:12
Raha mbola teo aminy Aho, dia nitahiry azy tamin’ ny anaranao izay nomenao Ahy; ary notandremako izy, ka tsy misy very, afa-tsy ilay zanaky ny fahaverezana ihany; mba hahatanteraka ny Soratra Masìna.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 17
Cross References
Psalms 109:6Anendreo olona ratsy fanahy hanapaka azy; Ary aoka hisy mpanohitra hitsangana eo an-kavanany.
John 6:37Izay rehetra omen’ ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy.
John 6:70Jesosy namaly azy hoe: Tsy Izaho va no nifidy anareo roa ambin’ ny folo lahy, nefa ny anankiray aminareo aza dia devoly?
John 13:18Tsy milaza anareo rehetra Aho; fa fantatro izay nofidiko; fa mba hahatanteraka ny Soratra Masìna hoe: Izay homana ny mofoko no nanangana ny ombelahin-tongony hamely Ahy.
Acts 1:16Ry rahalahy, tsy maintsy notanterahina ilay tenin’ ny Soratra Masìna nampilazain’ ny Fanahy Masìna rahateo an’ i Davida ny amin’ i Jodasy, izay tonga mpitarika ny olona nisambotra an’ i Jesosy;
2 Thessalonians 2:3Aza mety hofitahin’ olona akory ianareo; fa tsy ho avy izany, raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana, ka hiseho ilay lehilahin’ ota, dia ilay zanaky ny fahaverezana,