Epistily faharoa ho an'ny Tesaloniana 2:3
Aza mety hofitahin’ olona akory ianareo; fa tsy ho avy izany, raha tsy efa tonga aloha ny fihemorana, ka hiseho ilay lehilahin’ ota, dia ilay zanaky ny fahaverezana,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily faharoa ho an'ny Tesaloniana 2
Cross References
Daniel 8:25Ary ny fahafetseny koa no hahatanteraka ny fitaka eny an-tanany; ary izy hiavonavona am-po ka handringana ny maro amin’ izay tsy ampoiziny; ary hitsangana hanohitra ny Andrianan’ ny andriana izy, kanjo ho torotoro kosa, nefa tsy hisy tanana hamely azy tsinona.
Matthew 24:4Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Mitandrema, fandrao hisy hamitaka anareo.
1 Corinthians 6:9Moa tsy fantatrareo va fa ny olona tsy marina tsy mba handova ny fanjakan’ Andriamanitra? Aza mety hofitahina ianareo: fa ny mpijangajanga sy ny mpanompo sampy sy ny mpaka vadin’ olona sy ny sodomita
2 Thessalonians 2:8Ary dia haseho ilay tena mpandika lalàna, izay holevonin’ i Jesosy Tompo amin’ ny fofonain’ ny vavany ary hofoanany amin’ ny fisehoan’ ny fihaviany;
2 Timothy 3:1Fa aoka ho fantatrao izao: fa any am-parany any dia hisy andro mahory.
1 John 2:18Rankizy, izao no ora farany, ary tahaka ny efa renareo fa ho avy ny antikristy, sady maro no antikristy efa tonga sahady; koa izany no ahafantarantsika fa izao no ora farany.