Filazantsara araka an'i Jaona 18:20
Jesosy namaly azy hoe: Izaho niteny miharihary tamin’ izao tontolo izao; Izaho nampianatra mandrakariva tao amin’ ny synagoga sy ny kianjan’ ny tempoly, izay iangonan’ ny Jiosy rehetra; ary tsy nisy nolazaiko tao amin’ ny takona;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
19Ary ny mpisoronabe nanadina an’ i Jesosy ny amin’ ny mpianany sy ny fampianarany.
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 18
Cross References
Psalms 22:22Vonjeo amin’ ny vavan’ ny liona aho; ary valio ho afaka amin’ ny tandroky ny ombimanga.
Isaiah 45:19Tsy tao amin’ ny mangingina, dia tao amin’ ny fitoera-maizina amin’ ny tany no nitenenako; Izaho tsy niantso ny taranak’ i Jakoba hitady Ahy foana; Izaho Jehovah no miteny ny marina sy manambara ny mahitsy.
Matthew 4:23Ary Jesosy nandeha eran’ i Galilia ka nampianatra tao amin’ ny synagogan’ ny olona teo sy nitory ny filazantsaran’ ny fanjakana ary nahasitrana ny aretina rehetra mbamin’ ny rofy rehetra tamin’ ny olona.
Matthew 21:23Ary rehefa tafiditra teo an-kianjan’ ny tempoly Jesosy ka nampianatra, dia nanatona Azy ny lohan’ ny mpisorona sy ny loholona ka nanao hoe: Fahefana manao ahoana no anaovanao izao? Ary iza no nanome Anao izao fahefana izao?
Matthew 26:55Ary tamin’ izany ora izany dia niteny tamin’ ny vahoaka Jesosy ka nanao hoe: Mivoaka mitondra sabatra sy langilangy hisambotra Ahy toy ny hisambotra jiolahy va ianareo? Isan’ andro dia nipetraka nampianatra teo an-kianjan’ ny tempoly Aho, nefa tsy nisambotra Ahy ianareo.
Luke 4:15Ary Izy nampianatra teny amin’ ny synagogan’ ny olona ka nankalazain’ izy rehetra.