Filazantsara araka an'i Jaona 19:15
Fa niantso ireo hoe: Ento, ento, homboy amin’ ny hazo fijaliana Izy! Hoy Pilato taminy: Hohomboako amin’ ny hazo fijaliana va ny Mpanjakanareo? Ny lohan’ ny mpisorona namaly hoe: Tsy manana mpanjaka afa-tsy Kaisara izahay.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 19
Cross References
Genesis 49:10Ny tehim-panjakana tsy hiala amin’ i Joda, na ny tehina fanapahana eo anelanelan’ ny tongony, mandra-pahatongan’ i Silo, ka hanoa Azy ny firenena.
Luke 23:18Fa izy rehetra niantso mafy indray miredona nanao hoe: Vonoy Io, ka Barabasy no alefaso ho anay!
John 19:6Ary rehefa hitan’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpiandry raharaha Jesosy, dia niantso ireo ka nanao hoe: Homboy amin’ ny hazo fijaliana Izy! homboy amin’ ny hazo fijaliana Izy! Hoy Pilato taminy: Entonareo Izy, ka homboy amin’ ny hazo fijaliana; fa izaho tsy mahita izay helony.
Acts 22:22Ary ny olona nihaino azy hatramin’ izany teny izany, dia nanandratra ny feony ka nanao hoe: Esory amin’ ny tany ilehio, fa tsy tokony hovelomina izy!