Filazantsara araka an'i Jaona 19:17
ary Izy nitondra ny hazo fijaliany, dia nankany amin’ ny tany atao hoe Ikarandoha, izay atao amin’ ny teny Hebreo hoe Golgota.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 19
Cross References
Genesis 22:6Dia nalain’ i Abrahama ny hazo hataina amin’ ny fanatitra dorana ka natataony an’ Isaka zanany; fa izy kosa nitondra ny afo sy ny antsy teny an-tànany; ary dia niara-nandeha izy mianaka.
Leviticus 24:14Avoahy ho eny ivelan’ ny toby ilay nanozona, ary aoka izay rehetra nandre azy hametraka ny tànany amin’ ny lohany, ary aoka ny fiangonana rehetra hitora-bato azy.
1 Kings 21:13Ary niditra ilay roa lahy tena ratsy fanahy ka nipetraka teo anatrehany, dia niampanga an’ i Nabota teo anatrehan’ ny olona ireo ka nanao hoe: Niteny ratsy an’ Andriamanitra sy ny mpanjaka Nabota. Ary nentin’ ny olona nivoaka teny ivelan’ ny tanàna Nabota, dia notorahany vato ka maty.
Matthew 16:24Dia hoy Jesosy tamin’ ny mpianany: Raha misy olona ta-hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany sy hitondra ny hazo fijaliany ka hanaraka Ahy.
Matthew 27:37Ary napetany teo ambonin’ ny lohany ny soratra milaza ny nanamelohana Azy, dia izao: Ity no Jesosy, Mpanjakan’ ny Jiosy.
Mark 10:21Ary Jesosy nijery azy tsara, dia tia azy ka nanao taminy hoe: Diso zavatra iray loha ianao; mandehana, amidio izay rehetra anananao ka omeo ny malahelo, dia hanana rakitra any an-danitra ianao; ary avia hanaraka Ahy.