Filazantsara araka an'i Jaona 19:29
Ary nisy bakoly feno vinaingitra nipetraka teo; ary nisy sipaonjy feno vinaingitra notohiziny tamin’ ny hysopa ka nataony tamin’ ny vavany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 19
Cross References
Exodus 12:22Dia makà hysopa iray fihina, ka atsobohy amin’ ny rà izay ao anatin’ ny bakoly ary ny rà izay ao anatin’ ny bakoly dia anenteno amin’ ny tataom-baravarana sy ny tolana roa; ary aza misy mivoaka eo am-baravaran’ ny tranonareo avy ianareo ambara-pahamarain’ ny andro.
Matthew 27:34dia nomeny divay miharo afero Izy hosotroiny; ary nony nanandrana izany Izy, dia tsy nety nisotro.
Mark 15:36Ary ny anankiray nihazakazaka, dia nanatsoboka sipaonjy tamin’ ny vinaingitra, ka notohiziny tamin’ ny volotara, dia natohony hotsentsefin’ i Jesosy, fa hoy izy: Aoka ho hizahantsika, na ho avy hampidina Azy Elia, na tsia.