Filazantsara araka an'i Jaona 19:42
Ary teo no nandevenany an’ i Jesosy noho ny andro fiomanan’ ny Jiosy, satria teo akaiky ny fasana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 19
Cross References
Psalms 22:15Efa rano aidina aho, ka mivaha ny taolako rehetra; tahaka ny savoka ny foko: miempo ato anatiko izy.
Matthew 12:40fa tahaka ny nitoeran’ i Jona hateloan’ andro sy hateloan’ alina tao an-kibon’ ny hazandrano lehibe, dia toy izany no hitoeran’ ny Zanak’ olona hateloan’ Andro sy hateloan’ alina ao anatin’ ny tany.
John 19:20Ary izany anarana izany dia novakin’ ny Jiosy maro, fa akaikin’ ny tanàna ny tany izay nanomboana an’ i Jesosy tamin’ ny hazo fijaliana; ary voasoratra tamin’ ny teny Hebreo sy Romana sy Grika izany.
John 19:41Ary nisy saha teo amin’ ilay nanomboana Azy tamin’ ny hazo fijaliana; ary teo anatin’ ilay saha nisy fasana vaovao, izay tsy mbola nandevenana olona.
1 Corinthians 15:4dia nalevina, ary natsangana tamin’ ny andro fahatelo araka ny Soratra Masìna;