Filazantsara araka an'i Jaona 20:15
Hoy Jesosy taminy: Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany? iza no tadiavinao? Nataony fa mpiandry saha Izy, ka hoy izy taminy: Tompoko, raha Hianao no naka Azy teto, lazao amiko izay nametrahanao Azy, ary izaho dia haka Azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 20
Cross References
Song of Solomon 3:2Dia hoy izaho: Hifoha aho ka handehandeha eo an-tanàna, dia eny an-dalambe sy eny an-kalalahana, hitady ilay tian’ ny fanahiko eny, nitady azy aho, nefa tsy nahita azy.
Matthew 12:34Ry taranaky ny menarana! hataonareo, izay ratsy fanahy, ahoana no fahay miteny zavatra tsara? fa avy amin’ ny haben’ ny ao am-po no itenenan’ ny vava.
Mark 16:6Fa hoy ilay zatovo taminy: Aza talanjona; mitady an’ i Jesosy avy any Nazareta, Izay nohomboana tamin’ ny hazo fijaliana, ianareo; efa nitsangana Izy; tsy ato Izy; jereo fa teo no nametrahany Azy.
John 1:38Ary Jesosy nitodika ka nahita azy manaraka, dia nanao taminy hoe: Inona no tadiavinareo? Ary hoy izy roa lahy taminy: Raby (izay atao hoe, raha adika, Mpampianatra ô), aiza Hianao no mitoetra?
John 18:7Ary Jesosy nanontany azy indray hoe: Iza moa no tadiavinareo? Dia hoy izy: Jesosy avy any Nazareta.