Filazantsara araka an'i Jaona 20:17
Hoy Jesosy taminy: Aza manendry Ahy; fa tsy mbola niakatra tany amin’ ny Ray Aho; fa mandehana mankany amin’ ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe: Miakatra ho any amin’ ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary ho any amin’ Andriamanitro sy Andriamanitrareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 20
Cross References
2 Kings 4:29Ary hoy izy tamin’ i Gehazy: Misikìna, ary ento eny an-tananao ny tehiko, ka mandehana, raha mifanena amin’ olona ianao, aza miarahaba azy; ary raha misy miarahaba anao, aza mamaly azy akory; ary apetraho eo amin’ ny tavan’ ny zazalahy ny tehiko.
Psalms 22:22Vonjeo amin’ ny vavan’ ny liona aho; ary valio ho afaka amin’ ny tandroky ny ombimanga.
Psalms 48:14Hevero tsara ny mandany, diniho ny tranon’ andrianany, mba hambaranareo amin’ ny taranaka mandimby.
Psalms 89:26Dia hampitoetra ny tànany amin’ ny ranomasina Aho Ary ny tànany ankavanana amin’ ny ony.
Jeremiah 31:33Fa izao no fanekena havoko amin’ ny taranak’ Isiraely. Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony; Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko.
Ezekiel 36:28Ary honina any amin’ ny tany izay nomeko ny razanareo ianareo, ka ho oloko ianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo.