Filazantsara araka an'i Jaona 20:2
Dia nihazakazaka nankany amin’ i Simona Petera sy ilay mpianatra tian’ i Jesosy izy ka nanao taminy hoe: Nalain’ olona tao am-pasana ny Tompo, ka tsy fantatray izay nametrahany Azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
3Dia nandeha Petera sy ilay mpianatra anankiray ka nankany amin’ ny fasana.
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 20
Cross References
Matthew 27:63ka nanao hoe: Tompoko, tsaroanay fa iny mpamitaka iny, fony Izy mbola velona, dia nanao hoe: Raha afaka hateloana, dia hitsangana Aho.
John 19:26Ary nony hitan’ i Jesosy ny reniny sy ilay mpianatra tiany nijanona teo, dia hoy Izy tamin’ ny reniny: Ravehivavy, indro ny zanakao!
John 20:13Ary hoy ireo taminy: Ravehivavy, nahoana ianao no mitomany? Dia hoy izy taminy: Satria nalain’ olona ny Tompoko, ka tsy fantatro izay nametrahany Azy.
John 21:7Ary hoy ny mpianatra izay tian’ i Jesosy tamin’ i Petera: Ny Tompo iry. Ary raha ren’ i Simona Petera fa ny Tompo iny, dia nisikinany ny akanjo ivelany (fa tsy niakanjo izy), ka nirotsaka teo amin’ ny ranomasina izy.
John 21:24Izy no ilay mpianatra izay vavolombelona manambara izany sy nanoratra izany; ary fantatsika fa marina ny fanambarany.