Filazantsara araka an'i Jaona 20:1
Ary tamin’ ny andro voalohany amin’ ny herinandro dia nandeha maraina koa mbola maizimaizina hankany amin’ ny fasana Maria Magdalena ka nahita ny vato voaisotra tamin’ ny fasana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 20
Cross References
Matthew 27:60dia naleviny tao amin’ ny fasany vaovao izay efa nolavahany tamin’ ny vatolampy; ary rehefa nanakodia vato lehibe ho eo amin’ ny varavaran’ ny fasana izy, dia lasa nandeha.
Mark 15:46Ary izy nividy hariry madinika, dia nampidininy ny fatin’ i Jesosy ka nofonosiny hariry madinika, ary naleviny tao amin’ ny fasana, izay nolavahana tamin’ ny vatolampy, dia nanakodia vato ho eo amin’ ny varavaran’ ny fasana izy.
Mark 16:9[Ary rehefa nitsangana tamin’ ny marain’ ny andro voalohany amin’ ny herinandro Jesosy, dia niseho voalohany tamin’ i Maria Magdalena, ilay namoahany demonia fito, Izy.
John 19:25Ary nijanona teo akaikin’ ny hazo fijalian’ i Jesosy ny reniny sy ny rahavavin-dreniny, Maria, vadin’ i Klopa, sy Maria Magdalena.
John 20:26Ary nony afaka havaloana, dia tafangona teo indray ny mpianany, ary teo koa Tomasy. Dia tonga Jesosy, rehefa voarindrina ny varavarana, ka nitsangana teo afovoany, dia nanao hoe: Fiadanana ho anareo.
1 Corinthians 16:2Amin’ ny andro voalohany isan-kerinandro dia samia manokana ao aminy avy ho rakitra na amin’ inona na amin’ inona no anambinana azy, mba ho vita rahateo ny famoriam-bola mandra-pahatongako.