Filazantsara araka an'i Jaona 20:26
Ary nony afaka havaloana, dia tafangona teo indray ny mpianany, ary teo koa Tomasy. Dia tonga Jesosy, rehefa voarindrina ny varavarana, ka nitsangana teo afovoany, dia nanao hoe: Fiadanana ho anareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 20
Cross References
Isaiah 26:12Jehovah ô, manorina fiadanana ho anay Hianao: Fa ny asanay rehetra dia tanterahinao ho anay.
Isaiah 54:10Fa na dia hifindra aza ny tendrombohitra ary na dia hihetsika aza ny havoana, tsy mba hiala aminao ny famindram-peko, ary tsy hitsoaka ny faneken’ ny fihavanako, hoy Jehovah, Mpamindra fo aminao.
Luke 9:28Ary rehefa tokony ho havaloana taorian’ izany teny izany, dia nitondra an’ i Petera sy Jaona ary Jakoba Izy ka niakatra tany an-tendrombohitra hivavaka.
John 20:19Ary rehefa harivan’ ilay andro voalohany amin’ ny herinandro, raha voarindrina ny varavaran’ izay niangonan’ ny mpianatra, noho ny fahatahorany ny Jiosy, dia tonga Jesosy ka nitsangana teo afovoany, dia nanao taminy hoe: Fiadanana ho anareo.