Filazantsara araka an'i Jaona 20:27
Ary hoy Izy tamin’ i Tomasy: Atehefo eto ny rantsan’ tananao, ka jereo ny tanako; ary atehefo eto koa ny tananao, ka ataovy amin’ ny lanivoako; ary aza ho isan’ izay tsy mino, fa minoa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
28Dia namaly Tomasy ka nanao taminy hoe: Tompoko sy Andriamanitro!
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 20
Cross References
Psalms 78:38Nefa Andriamanitra kosa be famindram-po, dia mamela heloka ka tsy mandringana; eny nahatsindry fo tokoa Izy, ka tsy nofohaziny avokoa ny fahavinirany,
Matthew 17:17Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Ry taranaka tsy mino sady efa nivadika, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento atỳ amiko izy.
Luke 9:41Ary Jesosy namaly ka nanao hoe: Ry taranaka sady tsy mino no efa nivadika, mandra-pahoviana no hitoerako aminareo sy handeferako aminareo? Ento etỳ ny zanakao.
John 20:20Ary rehefa nilaza izany Izy, dia nasehony azy ny tànany sy ny lanivoany. Dia faly ny mpianatra, raha nahita ny Tompo.
Romans 5:20Ary ny lalàna dia niditra koa hahabe ny fahadisoana. Nefa teo amin’ izay nihabiazan’ ny ota no nihoaran’ ny fahasoavana be lavitra,
1 John 1:1Izay hatramin’ ny voalohany, dia izay efa renay, izay efa hitan’ ny masonay, izay efa nojerenay sady efa notsapain’ ny tananay, dia ny amin’ ny Teny Fiainana