Filazantsara araka an'i Jaona 21:15
Ary rehefa nisakafo izy, dia hoy Jesosy tamin’ i Simona Petera: Simona, zanak’ i Jaona, moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan’ ireto? Hoy izy taminy: Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Fahano ary ny ondrikeliko.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Filazantsara araka an'i Jaona 21
Cross References
Genesis 33:13Fa hoy Jakoba taminy: Fantatr’ itompokolahy fa mbola osa ny zaza, sady ampianahany ny ondry aman’ osy sy ny omby ato amiko; koa raha hokorodonina indray andro aza ireo, dia ho faty avokoa ny ondry aman’ osy rehetra.
2 Kings 20:3Jehovah ô, enga anie ka hotsarovanao ny nandehanako teo anatrehanao tamin’ ny fahamarinana sy tamin’ ny foko rehetra ary ny nanaovako izay tsara eo imasonao. Dia nitomany mafy dia mafy izy.
Isaiah 40:11Hiandry ny ondriny tahaka ny mpiandry ondry Izy; Ny sandriny no hanangonany ny zanak’ ondry, ka hotrotroiny eo an-tratrany ireny, ary horoahiny miadana ny ampianahany.
Jeremiah 23:4Ary hanendry mpiandry ho azy Aho, ka dia hiandry azy ireo; Ka tsy hatahotra na hivadi-po intsony izy, sady tsy hisy tsy ho voavory, hoy Jehovah.
Ezekiel 34:23Ary hanangana Mpiandry iray ho azy Aho, Izy no hiandry azy, dia Davida Mpanompoko, ka Izy no hitondra azy sy ho Mpiandry azy.
Matthew 10:37Izay tia ray na reny mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy miendrika ho Ahy, ary izay tia ny zananilahy na ny zananivavy mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy miendrika ho Ahy.